NY FINOANA
« Ary nony hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paôlôsy, dia nanandratra ny feony ka nilaza tamin'ny fitenin'i Lykaôniana hoe : Efa nidina nankaty amintsika ireo elôhim maka ny endrik'olona ! Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Zeosy, ary Paôlôsy kosa Hermesy, satria izy no nitondra ny teny. Ary ny mpisoron'ilay Zeosy teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy girilandy eo amin’ireo varavarana ka nikasa hanao fanatitra niaraka tamin’ny vahoaka. Fa nony nahare izany ny Apôstôly, Barnabasy sy Paôlôsy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady nikiaka ka nilaza hoe : Raondriana, ahoana no anaovanareo izao ? Olona tahaka anareo ihany izahay sy mitovy fihetseham-po ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona an’Elôhim velona, izay nanao ny lanitra sy ny tany ary
ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, tamin’ny taranaka teo aloha, izay namela ny firenena rehetra nandeha tamin'ireo lalany avy. Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy, amin’ny fanaovan-tsoa, manome antsika avy any an-danitra ny ranonorana sy ny taon-jina ka mahavoky ny fontsika amin'ny hanina sy ny fifaliana. Nefa na dia nilaza izany aza, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy » Asan’ny Apôstôly 14:11-18.